


Bokim-piraketana ireo Fifanaraham-panofan-tany (SB), Bokim-piraketana Nasionaly ireo Fifanaraham-panofan-tany (SNB)
➡️Araka ny tontolo maha zava-dehibe ny fahaiza-mitantanana ireo tanim-panjakana azo amidy izay antoka ara-stratejika ho fampandrosoana an’i Madagasikara na ny tany fambolena, na ny tany hametrahana orinasa, na ny tany natao ho an’ny fizahantany, na ny tany ho an’ny fanajariana ny tanan-dehibe dia tena ilain’ny firenena tokoa ankehitriny ny fananana fitaovana iray mampivodrona, sy mangarahara ary azo antoka.
➡️Ny Sampandraharahan’ny Fananan-tany tsirairay avy dia mitazona « bokim-piraketana ireo fifanaraham-panofan-tany », izany hoe rejisitra ara-panjakana mitahiry ireo fifanarahana fanofan-tany rehetra tapaka teo amin’ny Fanjakana sy ireo olon-tsotra na orinasa ao amin’ny faritra iandraiketany. Kanefa, noho ny tsy fisian’ny fanangonana, tsy tena nahazoana namoaka ny fomba fijery mazava tsara na ny fomba fitantanana ara-stratejika mifandraika amin’ny sehatra nasionaly ireny bokim-piraketana ireny, izay no antony ilàna ny fampidirana azy ireo ao anatin’ny « Bokim-piraketana Nasionaly ireo Fifanaraham-panofan-tany ».↪️Ny Tahirim-bola Nasionaly ho an’ny Fananan-tany (FNF) izay efa miandraikitra ny fanaraha-maso ny fanantanterahana ny PNF II, no ho tompon’andraikitra amin’ny famoronana ity Bokim-piraketana Nasionaly ireo Fifanaraham-panofan-tany ity, miaraka amin’ny fanohanana avy amin’ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany (MDAT).
Jereo amin’ireo sary fanazavana manaraka ireo : 🔹Inona no atao hoe fifanaraham-panofana sy ny anjara andraikitry ny Bokim-piraketana ireo Fifanaraham-panofan-tany (SB) efa misy eny anivon’ny Sampandraharahan’ny Fananan-tany. 🔹Ny antony sy ny tanjonan’ny namoronana ny Bokim-piraketana Nasionaly ireo Fifanaraham-panofan-tany (SNB). 🔹Ny mahasamihafa ny SNB sy ny Bokim-piraketana ireo Fifanaraham-panofan-tany (SB) eny anivon’ny Sampandraharahan’ny Fananan-tany. 📢Fanavaozana tena izy ho amin’ny fitantanana tsara kokoa ny fananan-tany.