















Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Dingana faha-III amin’ny Tetikasa PDCID III
Ny Talata, 17 Jona 2025 ,
Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Dingana faha-III amin’ny Tetikasa PDCID III, izay tanterahin’ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany (MFFT), amin’ny alalan’ny FDL, ary vatsian’ny tetikasa Alemana KfW vola.
Tonga nanokatra ny lanonana ny Minisitrin'ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany, natrehin'ny Ambasadaoron’i Alemana eto Madagasikara, ny Tale Jeneralin’ny KfW, ireo solontenan’ny MFFT, ny tetikasa Alemana, ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, ary ireo solontenan’ireo ben'ny tanàna efa nahazo tombontsoa tamin’ireo dingana teo aloha.
Ny PDCID dia mikendry ny hanamafisana ireo tolotra ho an'ny vahoaka avy amin'ny fanjakana eny anivon’ny kaominina, ary hampiroborobo sy hampahomby ny fitantanana eny ifotony, . Tafiditra tanteraka ao anatin’ny PNDE ny fandaharan'asa , izay mikendry indrindra ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina ambanivohitra.
Dingana faha-III , mikendry hatrany ny fanatsarana ny zava-bita tamin’ireo dingana teo aloha, ary hanohanana ny asa atao any amin' ireo kaominina ambanivohitra. Hiompana eny anivon’ny kaominina ny faritra DIANA sy BOENY ho fanavaozana ireo fotodrafitrasa fototra sy fanamafisana ireo tolotra avy amin'ny fanjakana.
Ho fanampin’izany, dia hisy tetikasa andrana hotanterahina any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara.
Le Ministre de la Décentralisation et de l’Aménagement du Territoire, Naina ANDRIANTSITOHAINA, a procédé ce jour au lancement officiel de la Phase III du Programme de Développement Communal Inclusif et de Décentralisation (PDCID III), lors d’une cérémonie organisée au siège du Fonds de Développement Local (FDL) à Anosy. Aux côtés du ministre, plusieurs figures majeures de la coopération internationale ont pris part à l’événement, dont l’Ambassadeur d’Allemagne, S.E. Oliver Knoerich, et le Directeur de la KfW, Stefan Zeeb.
Financé à hauteur de 25 millions d’euros par la coopération allemande à travers la KfW, avec un cofinancement de 1,25 million d’euros de l’État malgache, le PDCID III entend renforcer l’accès aux services publics essentiels dans les communes rurales et appuyer une gouvernance locale plus inclusive. L’action s’inscrit dans la continuité du Plan National de Décentralisation Émergente (PNDE).
Lancé pour la première fois en 2015, le programme a déjà permis la réhabilitation de 115 km de pistes rurales, la construction de 79 écoles équipées en eau potable, sanitaires et mobilier, et le lancement de 26 écoles supplémentaires. À cela s’ajoutent 25 bâtiments administratifs communaux en cours de réalisation.
La Phase III du programme se concentrera sur les régions DIANA et BOENY, avec l’introduction d’un projet pilote dans le Sud. Objectif : étendre l’accès aux infrastructures de base et améliorer la qualité des services de proximité, dans les zones souvent isolées.