






Fihaonana mivantana niarahan’ny Governemanta sy ireo Loholon’i Madagasikara ny 16 Jona 2025.
Taorian’ny fifanakalozan-kevitra niaraka tamin’ireo Solombavambahoaka, dia niatrika fanontaniana sy fanehoan-kevitra avy amin’ireo Loholona indray ny Governemanta, notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tany amin’ny Lapan’i Mahazoarivo.
Nandritra ny fotoana dia nanazava ny zava-bita sy paikady ampiharina ny Minisitrin'ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany , Naina ANDRIANTSITOHAINA, mba hanatsarana ny fiainan’ny vahoaka amin’ny sehatra telo lehibe : ny fanjakana akaiky vahoaka, ny fanajariana ny tany ary ny fananan-tany.
Teboka nisongadina :
- Fanohizana ny ady amin’ny fanotofana tany tsy ara-dalàna
- Fanamafisana ny Fitantanana ny fananan-tany
- Fanohanana akaiky ny Kaominina