






Fivoriambe ara-potoana 2025 ho an’ny Holafitry ny Mpandrefy Tany manamahay eto Madagasikara (OGEM)
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriambe ara-potoana 2025 ho an’ny Holafitry ny Mpandrefy Tany manamahay eto Madagasikara (OGEM) tamin’ny 4 jona lasa teo ary naharitra roa andro.Fotoana iray manan-danja niadian-kevitra sy nifanakalozan-kevitra momba ireo olana lehibe amin’ny resaka tany eto amin’ny firenena izany, ary dingana lehibe ihany koa amin’ny fifampandrifiana ny fiaraha-miasa eo amin’ny matihanina amin’ny sehatry ny fananan-tany sy ny fanavaozana entin’ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany (MFFT).
Ireo lohahevitra lehibe nodinihina:
- Fepetra mifehy mamaritra ny saran'ny fandrefesan-tany.
- Famaranana ny didy fampiharana mifehy ny asan’ny Mpandrefy tany Manampahaizana manokana.
- Fanatsarana ny fomba fanao ho matihanina hatrany.
- Fandraisana anjara mavitrika amin’ny fampiasana ny fitaovana izay novolavolain'ny MFFT: PLOF nasionaly, famaritana nomerika, SIF, BSFI, TOPOANAGER, sns.
Nanokatra ny fihaonambe ny Tale Jeneralin'ny Sampan-draharahan'ny Fananan-tany ary notronin'ireo delegasionina avy amin'ny MFFT, mariky ny fitantanana ny fananan-tany maharitra sy tompon’andraikitra, ary mifanaraka amin'ny fenitra iraisam-pirenena.
Dingana lehibe ny fihaonambe izay notanterahina satria mandrafitra sy manamafy ny fiaraha-miasan'ny Mpandrefy Tany Mpahay Raha sy ny MFFT, ho fanohanana politikan'ny fananan-tany mirindra sy mahomby eto Madagasikara.
L’Assemblée Générale Ordinaire 2025 de l’Ordre des Géomètres Experts de Madagascar (OGEM) s’est ouverte ce 4 juin à Antananarivo, pour deux jours d’échanges structurants autour des enjeux fonciers du pays.
Cette rencontre ne se limite pas à une simple obligation statutaire : elle s’inscrit comme un moment clé d’alignement entre les professionnels du foncier et les réformes portées par le Ministère de la Décentralisation et de l’Aménagement du Territoire (MDAT).
Parmi les axes majeurs abordés :
- Réglementation des honoraires des prestations topographiques
- Finalisation des textes d’application régissant la profession
- Amélioration des pratiques professionnelles
- Contribution active des géomètres experts aux outils innovants du MDAT : PLOF national, délimitation numérique, SIF, catalogue foncier, dématérialisation, BSFI et TOPOANAGER.
Une présence forte du MDAT
La cérémonie d’ouverture a été présidée par le Directeur Général des Services Fonciers, représentant le Ministre, en présence de plusieurs hauts responsables du ministère. Les échanges ont souligné la nécessité d’un engagement rigoureux des géomètres experts pour garantir une gouvernance foncière durable, conforme aux standards internationaux.
Cette AGO marque un tournant pour la structuration de l’OGEM et renforce le partenariat stratégique entre l’Ordre et le MDAT, au service d’une politique foncière harmonieuse et responsable à Madagascar.