Minisitera mamaly ny hetahetan’ny olom-pirenena, izay nampitain’ny Solombavambahoaka nandritra ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny Governemanta tao Tsimbazaza ny 12 sy 13 jona 2025
Ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany (MFFT) dia namaly ny hetahetan’ny olom-pirenena, izay nampitain’ny Solombavambahoaka nandritra ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny Governemanta tao Tsimbazaza ny 12 sy 13 jona 2025 lasa teo. Manatanteraka asa mivaingana ny Minisitera ho fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy amin’ny sehatra telo fototra : ny fitsinjaram-pahefana, ny fanajariana ny tany, ary ny fananan-tany.
Anisan’izany:
➡️ Fepetra hentitra amin’ny ady amin’ny fanotofana tany tsy ara-dalàna - Mijanona ny fanotofana tany eto Antananarivo.
- Fananganana birao manokana miady amin’ny fanotofana tany tsy ara-dalàna.
- Fanadiovana sy fikojakojana ireo lakandrano ho fiomanana amin’ny orana sy fiakaran'ny rano.
➡️ Eo ihany koa ny fananganana biraon'ny Sampandraharaha ny fananan-tany mba hanakaiky vahoaka sy vahaolana amin’ireo olana ara-tany mbola tsy voavaha.
➡️Birao Solontenan'ny Fananan-tany Iraisana (BSFI) miisa 60 no hatsangana, indrindra any amin’ireo distrika mbola tsy misy izany toy ny Vondrozo, Manandriana, ary Mananara Avaratra.
➡️Fanombohana sy fitohizan’ny hetsika lehibe momba ny '' sécurisation foncière'' any Sainte-Marie sy Fianarantsoa.
➡️Fitantanana amin’ny fomba mitovy ny tany any amin’ny faritra tahaka an’i Majunga.
➡️Fikarakarana ireo taratasin-tany mifandray amin’ireo tany tamin'ny andron'ny fanjanahantany (coloniaux) taloha, toy ny an'i Ambatolampy.

Ho hamafisina ny fanohanana atao amin' ireo kaominina
➡️Fampiofanana sy fanohanana ireo olom-boafidy eny an-toerana: fampandraisana andraikitra ireo Ben’ny Tanàna, ny MOCA (Maitrise d’Ouvrage Communal Accompagné), fametrahana drafitra fotodrafitrasa ho an’ny kaominina.
➡️Fampidirana ny fitaovana nomerika: sehatra I-Hofana, rafitra District 2.0, ary torolalana azo ampiharina.
➡️Fanohanana ara-bola amin’ny alalan’ny: - Fonds de Développement Local (FDL), - Fonds National de Péréquation (FNP), - Fampindramam-bola miorina amin’ny zava-bita na amin’ny fitsinjaram-pahefana ara-drariny araka ny sanda IPM (indice de pauvreté) na ny vahaolana mikasika''crédit carbone''.
➡️Tambin-karama ho an’ireo sefom-pokontany sy fanampiana ho an’ny Kaominina - Fandoavana ireo tambin-karama sy fanampiana ireo sefom-pokontany alohan’ny 26 jona 2025, raha feno ny antontan-taratasy. - Famatsiana ara-pitaovana ho an'ireo kaominina, toy ny an'i Farafangana. - Fampiroboroboana ny vahaolana ho entina manavao ny loharanon-karena eny an-toerana (toy ny ''crédit carbone'' sy ny fanangonana ireo hetra-tany). Mbola mitohy ao amin’ny lapan’ny antenimieran-doholona anio ny tatitry ny governemanta tao aorian’ny famaliana ireo fanontaniana izay napetraky ny solombavam-bahoaka teny amin’ny antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza.