𝐅𝐢𝐬𝐨𝐤𝐚𝐟𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐚𝐧𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐒𝐀𝐃𝐂 𝐞𝐭𝐨 𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐫𝐢𝐯𝐨 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐢𝐧𝐝𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐭𝐚𝐧𝐭𝐚̀𝐧𝐚𝐧𝐚
Antananarivo, 12 Aogositra 2025 – Nisokatra omaly teto Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara ny Filankevitry ny Minisitry ny SADC, izay enti-manomana ny fihaonana an-tampony faha-45n’ireo Filoham-panjakana sy lehiben'ny Governemanta.
Nandray ny fitantanana izany Filan-kevitry ny Minisitra izany androany Ramatoa Rasata Rafaravavitafika, Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy 🇲🇬, nandimby ny Profesora Amon Murwira, Minisitra misahana ny Raharaham-bahiny sy ny Varotra Iraisam-pirenena avy any Zimbabwe. Haharitra herintaona (Aogositra 2025 - Aogositra 2026) ny fe-potoana iasany.
Izao fandraisantsika ny fitantanana ny Filan-kevitry ny Minisitry ny SADC izao dia maneho ny fahavononan'i Madagasikara amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa aty amin'ny Faritra atsimon'i Afrika sy ny fampandrosoana maharitra ny vahoaka ao anatin'ny Vondrona SADC.