








Fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Ben’ny tanàna vaovao 140 avy amin’ireo distrika 7 ao amin’ny Faritra Analamanga.
Ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Ben’ny tanàna vaovao, dia nanolotra fampiofanana ho azy ireo ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany ka Ben’ny tanàna miisa 140 avy amin’ireo distrika 7 ao amin’ny Faritra Analamanga no nisitraka izany.
Natao mba hanomezana fitaovana sy fahalalana ho an'ireo Ben’ny tanàna vaovao ireo ity fotoana ity mba hahafahan’izy ireo manatanteraka ny andraikiny amin’ny maha tompon'andraikitry ny fampandrosoana ifotony azy ireo.
Eo ihany koa ny fikendrena ny:
- Hampandeha tsara sy haingana ny famindram-pahefana mba hisian'ny fitantanana mangarahara sy mahomby eny anivon’ny kaominina ;
- Hanentana ireo mpitondra voafidy vaovao momba ny fanavaozana amin’ny sehatry ny fanapariaham-pahefana sy ny fampandrosoana ara-toekarena ifotony ;
- Hijery ny fomba fiasan’ny kaominina sy ny andraikitra ananan’ny Ben’ny tanàna sy ireo mpanolotsaina, amin’ny alalan’ny fampiasana ny fitaovana natokana ho an’ireo mpitondra voafidy.
Nanohana ara -teknika sy ara-bola tamin’ity fiofanana ny PRODECID sy ny PNUD, niaraka tamin’ny fandraisana anjaran’ny DGSF, DGAT, DGDDL, INDDL, FDL, ary ny fampandraisana anjara an’ireo rafitra toy ny BIANCO, CDBF, ary DGI, izay nanome fanazavana manokana momba ny fitantanana mangarahara, ny fifehezana ny tetibola ary ny hetra eo anivon’ny kaominina.
Dans le cadre du renforcement des capacités des nouveaux élus locaux, une session de formation a été organisée par le Ministère de la Décentralisation et de l'Aménagement du Territoire à l’intention des 140 maires issus des 7 districts de la Région Analamanga.
Avec pour objectif d'outiller les nouveaux maires afin qu’ils puissent pleinement assumer leur rôle en tant qu’acteurs clés du développement local. Cette formation vise également à :
- Faciliter une passation de service efficace et une bonne gouvernance communale ;
- Sensibiliser les nouveaux élus sur la nouvelle réforme de la décentralisation émergente et le développement économique local;
- Donner un aperçu général du fonctionnement et de l’organisation d’une commune avec les compétences et obligations d’un maire et celles des conseillers : package d’outils destiné aux élus ; former les élus locaux ;
- Former sur les bases juridiques et les fonctions essentielles nécessaires dans l’exercice et sur les thématiques fondamentales pour la gestion de la commune dont l'approfondissement des notions de Gouvernance locale, MOCA, SLC, PDLII, IGL, et gestion foncière décentralisée.
Avec l’appui technique et financier du PRODECID et du PNUD, l'implication des entités DGSF, DGAT, DGDDL, INDDL, FDL et la participation du BIANCO, le CDBF et la DGI, cette formation a permis de sensibiliser les maires à l’importance de la transparence, de la discipline budgétaire et de la fiscalité locale.