









Fanokanana ny ivotoerana vaovao fiasan'ny famantarana ny toetr'andro izay iarahan'ny Ministera roa tonta(MDAT sy MTM).
Notanterahina androany ny fanokanana ny ivotoerana vaovao fiasan'ny famantarana ny toetr'andro eto Madagasikara.
Fanavaozana sy fampitaovana no natao tamin'izany mba ahafahana manome sy manaparitaka vaovao mari-pototra manerana ny Nosy sy any ivelany mikasika ny toetr'andro.
Fiaraha-miasa izay iarahan'ny Ministeran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr'andro (MTM), sy ny Ministeran'ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany (MFFT) amin'ny alalan'ny tetikasa PRODUIR, ary tohanan'ny Banky Iraisam-pirenena.
Asa iandraiketan'ny tetikasa PRODUIR ny fiarovana an'Antananarivo manoloana ireo tondra-drano, izay mifandray amin'ny famantarana ny toetr'andro.
Amin'ny alalan'ny fiaraha-miasa eo amin'ny Minisitera roa tonta izao no ahitana vokatra ho entina manatsara hatrany ny tolotra omena ny vahoaka.
Un nouveau centre opérationnel de prévisions météorologiques vient d’être inauguré à Madagascar.
Rénové et équipé de nouveaux serveurs, ce centre permettra de produire et de diffuser des informations météorologiques fiables, tant au niveau national qu’international. Il contribuera à une meilleure anticipation des aléas climatiques, notamment dans les zones urbaines sensibles comme Antananarivo.
La mise en place de ce centre s’inscrit parmi les actions engagées pour renforcer la résilience face aux inondations et améliorer la qualité des services publics destinés à la population.
Cette réalisation est portée par le projet PRODUIR, soutenu par la Banque mondiale, en collaboration entre le Ministère de la Décentralisation et de l’Aménagement du Territoire (MDAT) et le Ministère des Transports et de la Météorologie (MTM).