Minisitera mamaly ny hetahetan’ny olom-pirenena, izay nampitain’ny Solombavambahoaka nandritra ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny Governemanta tao Tsimbazaza ny 12 sy 13 jona 2025

Minisitera mamaly ny hetahetan’ny olom-pirenena, izay nampitain’ny Solombavambahoaka nandritra ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny Governemanta tao Tsimbazaza ny 12 sy 13 jona 2025 Ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany (MFFT) dia namaly ny hetahetan’ny olom-pirenena, izay nampitain’ny Solombavambahoaka nandritra ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny Governemanta tao Tsimbazaza ny 12 sy 13 jona 2025 lasa teo. Manatanteraka asa mivaingana ny Minisitera ho fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy amin’ny sehatra telo fototra : ny fitsinjaram-pahefana, ny fanajariana ny tany, ary ny fananan-tany. Anisan’izany: ➡️ Fepetra hentitra amin’ny ady amin’ny fanotofana tany tsy ara-dalàna – Mijanona ny fanotofana tany eto Antananarivo. – Fananganana birao manokana miady amin’ny fanotofana tany tsy ara-dalàna. – Fanadiovana sy fikojakojana ireo lakandrano ho fiomanana amin’ny orana sy fiakaran’ny rano. ➡️ Eo ihany koa ny fananganana biraon’ny Sampandraharaha ny fananan-tany mba hanakaiky vahoaka sy vahaolana amin’ireo olana ara-tany mbola tsy voavaha. ➡️Birao Solontenan’ny Fananan-tany Iraisana (BSFI) miisa 60 no hatsangana, indrindra any amin’ireo distrika mbola tsy misy izany toy ny Vondrozo, Manandriana, ary Mananara Avaratra. ➡️Fanombohana sy fitohizan’ny hetsika lehibe momba ny  » sécurisation foncière » any Sainte-Marie sy Fianarantsoa. ➡️Fitantanana amin’ny fomba mitovy ny tany any amin’ny faritra tahaka an’i Majunga. ➡️Fikarakarana ireo taratasin-tany mifandray amin’ireo tany tamin’ny andron’ny fanjanahantany (coloniaux) taloha, toy ny an’i Ambatolampy. Ho hamafisina ny fanohanana atao amin’ ireo kaominina ➡️Fampiofanana sy fanohanana ireo olom-boafidy eny an-toerana: fampandraisana andraikitra ireo Ben’ny Tanàna, ny MOCA (Maitrise d’Ouvrage Communal Accompagné), fametrahana drafitra fotodrafitrasa ho an’ny kaominina. ➡️Fampidirana ny fitaovana nomerika: sehatra I-Hofana, rafitra District 2.0, ary torolalana azo ampiharina. ➡️Fanohanana ara-bola amin’ny alalan’ny: – Fonds de Développement Local (FDL), – Fonds National de Péréquation (FNP), – Fampindramam-bola miorina amin’ny zava-bita na amin’ny fitsinjaram-pahefana ara-drariny araka ny sanda IPM (indice de pauvreté) na ny vahaolana mikasika »crédit carbone ». ➡️Tambin-karama ho an’ireo sefom-pokontany sy fanampiana ho an’ny Kaominina – Fandoavana ireo tambin-karama sy fanampiana ireo sefom-pokontany alohan’ny 26 jona 2025, raha feno ny antontan-taratasy. – Famatsiana ara-pitaovana ho an’ireo kaominina, toy ny an’i Farafangana. – Fampiroboroboana ny vahaolana ho entina manavao ny loharanon-karena eny an-toerana (toy ny  »crédit carbone » sy ny fanangonana ireo hetra-tany). Mbola mitohy ao amin’ny lapan’ny antenimieran-doholona anio ny tatitry ny governemanta tao aorian’ny famaliana ireo fanontaniana izay napetraky ny solombavam-bahoaka teny amin’ny antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza.

Minisitera mamaly ny hetahetan’ny olom-pirenena, izay nampitain’ny Solombavambahoaka nandritra ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny Governemanta tao Tsimbazaza ny 12 sy 13 jona 2025 Read Post »

Fivoriana mahakasika ny fitsinjaram-pahefana sy ny fitantanana ifotony iarahan’ny Ministera sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola

Fivoriana mahakasika ny fitsinjaram-pahefana sy ny fitantanana ifotony iarahan’ny Ministera sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola Tanteraka omaly ny fivoriana mahakasika ny fitsinjaram-pahefana sy ny fitantanana ifotony izay notarihin’Andriamatoa Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany ary Andriamatoa solotenan’ny PNUD eto an-toerana, izay natao tao amin’ny FDL Anosy. Voakasikin’ny fivoriana ary nanatrika izany ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola : ny Masoivohon’i Frantsa, NEXUS, PNUD, AFD, MIONJO, RINDRA ary GIZ. Tanjona tamin’ny fivoriana ny: – Hanitarana ny tosika mba ho tonga manerana ny nosy , – Hanatanterahana an-tsakany sy an-davany ireo singa mandrafitra ny PNDE , – Hampifanarahana ny fanavaozana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanarenana ara-bola amin’ny sehatry ny daholobe , – Hanamafisana ny fifanakalozan-kevitra amin’ireo mpiara-miombon’antoka mba hahatanteraka ny fitsinjaram-pahefana sy ny fitantanana ifotony. Nisongadina nandritra ny fivoriana ihany koa ny nandinihana ny fandrindrana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka ; ny fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ireo olom-boafidy vaovao ; ny fanangonana hetra-tany ary ny fitantanana ara-bola eo anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Décentralisation : les partenaires se concertent pour une meilleure coordination des appuis La salle de réunion du FDL à Anosy a accueilli, hier, une rencontre stratégique de la Plateforme de la décentralisation et de la gouvernance locale. Coprésidée par le Ministre de la Décentralisation et de l’Aménagement du Territoire et le Représentant Résident Adjoint du Programme des Nations Unies pour le Développement (PNUD), cette réunion a rassemblé plusieurs partenaires techniques et financiers : l’Ambassade de France, NEXUS, le PNUD, l’AFD, MIONJO, RINDRA et la GIZ. Au cœur des échanges : la nécessité d’étendre la couverture nationale des appuis, d’opérationnaliser les composantes du PNDE, d’aligner les réformes de la décentralisation avec celles des finances publiques, et de renforcer le dialogue avec l’ensemble des parties prenantes. Les discussions ont notamment porté sur l’harmonisation des partenariats, le renforcement des capacités des nouveaux élus, le recouvrement des impôts fonciers et la gestion financière des collectivités territoriales décentralisées (CTD). Une coordination renforcée est attendue pour répondre efficacement aux défis de la gouvernance locale.

Fivoriana mahakasika ny fitsinjaram-pahefana sy ny fitantanana ifotony iarahan’ny Ministera sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola Read Post »

Fidinana ifotony nataon’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, niaraka tamin’ny Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany ary ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo teny Ankasina (Boriborintany Voalohany)

Fidinana ifotony nataon’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, niaraka tamin’ny Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany ary ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo teny Ankasina (Boriborintany Voalohany) Nidina ifotony teny Ankasina (Boriborintany Voalohany) androany ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, niaraka tamin’ny Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany ary ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo, mba hijery akaiky ny fandrosoan’ ny tetikasa PRODUIR. Nandritra ny fitsidihana dia hita fa mbola betsaka ny filàna fotodrafitrasa sosialy eny an-toerana, toy ny toeram-pidiovana sy toerana hialana voly. Nomena toromarika avy hatrany ny tompon’andraikitra mahakasika izany, ary anisan’izany ihany koa ny fanarenana ireo lalankely sy arabe simba. Ho fanajana ny tanjona napetraky ny tetikasa sy fiarovana ny fahadiovan’ny tanàna, dia nanentana ny Filoham-pirenena amin’ny fanatanterahana fanadiovana faobe ny lakan-drano amin’ny fokontany tsirairay. Hisy valisoa manokana homena ho an’izay mandray anjara mavitrika amin’izany. Ankoatra izay, natomboka tao amin’ny Boriborintany Voalohany ny fizarana fanampiana ho an’ireo mponina monina amin’ny faritra iva. Hitohy tsikelikely amin’ireo boriborintany rehetra eto Antananarivo izany fepetra sosialy izany. Le Président Andry Rajoelina s’est rendu ce jour à Ankasina (1er arrondissement d’Antananarivo), accompagné du Ministre de la Décentralisation et de l’Aménagement du Territoire et du Maire de la capitale, pour suivre de près la mise en œuvre du projet PRODUIR. Cette visite a permis de constater les besoins persistants en infrastructures sociales de base, notamment les sanitaires publics et les espaces de loisirs. Des instructions ont été données pour leur aménagement, ainsi que pour la réhabilitation des ruelles et voies dégradées. Dans le respect des objectifs du projet et pour renforcer la salubrité urbaine, le Chef de l’État a lancé un appel à la mobilisation citoyenne pour une campagne de nettoyage massif des canaux d’évacuation dans chaque quartier. Un système de récompense est prévu pour encourager les initiatives locales. Enfin, une distribution d’aides a été lancée au bénéfice des habitants des zones basses, à commencer par le 1er arrondissement. Cette opération sera étendue à tous les arrondissements d’Antananarivo.

Fidinana ifotony nataon’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, niaraka tamin’ny Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany ary ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo teny Ankasina (Boriborintany Voalohany) Read Post »

Scroll to Top