sary 2
sary 3
sary 4
sary 8
sary 5
sary 6
sary 7
sary 9
sary 1

Fametrahana Birao Solon-tenan’ny Fananan-tany Iraisana (BSFI) ao amin'ny kaominina Fiaferana, Distrika Antananarivo Avaradrano

Notanterahan'ny Ministeran'ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany ny vinan'ny Filohan'ny Repoblika ny amin'ny tsy hisian'ny kaominina ho adino intsony ka tontosa ny Alarobia 07 May 2025 ny fametrahana ny BSFI na ny « Birao Solon-tenan'ny Fananan-tany Iraisana » ho an'ny kaominina Fiaferana fa hahazo tombony amin'izany ny kaominina Viliahazo sy Manandriana izay ao amin'ny Distrika Antananarivo Avaradrano. Rafitra ifotony manakaiky ny vahoaka ary manamora ny fikarakarana ny antontan-taratasy mahakasika ny fananan-tany (fahazoana kadasitra, karatany, titra, sns) ny BSFI. Mba hahatontosa soa aman-tsara ny asa dia nitondra ny anjara birikiny amin'ny fampitaovana ny avy ao amin'ny MFFT sy ny Solombavambahoakan'Avaradrano tamin'ny alalan'ny fanolorana ny trano hiasana, ny fitaovana ilaina amin'ny asa (solosaina, latabatra, seza, fitoerana entana), moto, GPS, fitaovana ampiasana any amin'ny birao. BSFI miisa enimpolo nokendren'ny fanjakana ho apetraka amin'ity taona ity ka ny telo amin'ireo dia ho atao ao amin'ny distrika Avaradrano.
Le Ministère de la Décentralisation et de l'Aménagement du Territoire a concrétisé la vision du Président de la République selon laquelle aucune commune ne doit être oubliée. Ainsi, le mercredi 7 mai 2025, a eu lieu l'installation du BSFI, ou « Bureau de Subdivision Foncière Intermédiaire», pour la commune de Fiaferana. Les communes de Viliahazo et Manandriana, situées dans le district d’Antananarivo Avaradrano, en bénéficieront également. Le BSFI est un service de proximité destiné à faciliter et à favoriser l'obtention de différents documents : certificats fonciers, documents juridiques, cadastre. Il accompagnera aussi les communes et la population locale dans la régularisation foncière des terrains de la zone. Pour assurer le bon déroulement de ses missions, le MDAT, ainsi que le Député d'Avaradrano, ont apporté leur contribution à travers la dotation d’un bâtiment, de matériels informatiques (ordinateur de bureau, imprimante), de mobiliers de bureau (table, chaises, armoire), ainsi que d’une moto, d’un GPS et de fournitures de bureau. L’État prévoit de mettre en place soixante BSFI cette année, dont trois seront implantés dans le district d’Avaradrano.
Scroll to Top