



Fampahafantarana mahakasika ny MATAC eo anivon’ny Observatoire du Territoire
Ny MATAC dia fitaovana ara-informatika hikirakirana ireo dingana fahazoan-dàlana manorina izay novolavolain’ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany (MFFT), amin’ny alalan’ny « Observatoire du Territoire (OT) ». Manana tanjona ny hanamoràna ny fikirakiràna ny atotan-taratasy eny anivon’ny kaominina, ny fampitàna ireo atotan-taratasy ireo amin’ireo antanan-tohatra isan-tsokajiny, hanenàna ny fotoana lany ary hampiroboroboana ny mangarahara amin’ny fepetra ara-panajariana eto Madagasikara ny MATAC. Efa niroso tamin’ny dingana faharoa ny MATAC, na MATAC 2, amin’izao fotoana izao. Mbola omen’ny tetikasa PRODUIR tantsoroka hatrany ny MFFT mba hahafahan’ny kaominina hafa mikirakira ny MATAC.
Amin’izao fotoana izao, mikarakara fiofanana hikirakirana ny MATAC ny PRODUIR. Mandritra izany misy ny fanazavàna momba an’ilay fitaovana ary fampiharana ihany koa. Ho an’ireo kaominina efa nampiasa MATAC dia niverenana nampiofanina ireo mpikirakira. Mandritra ny volana martsa sy aprily ny fiofanana ary manaraka akaiky ny tetikasa ny « Direction de l’Observatoire du Territoire ».
MATAC est une application web conçue par le MDAT à travers la direction de l’Observatoire du Territoire (OT) afin de faciliter les instructions des dossiers au niveau des Communes, de sécuriser la transmission des dossiers au sein de chaque fonction publique, de réduire les délais de traitement des dossiers et de promouvoir la transparence dans le processus d’instruction des autorisations d’urbanisme à Madagascar. Avec le concours de PRODUIR, une deuxième phase a été lancée pour couvrir d’autres communes de l’agglomération tananarivienne, dans le cadre du programme MATAC 2.
Pour mieux accompagner les communes, PRODUIR organise une formation dans l’utilisation de cet outil. Les séances sont composées de présentation et de pratiques directement sur ordinateur. Les communes qui ont déjà bénéficié du MATAC 1 bénéficient de recyclage. Les nouvelles communes bénéficiaires font l’objet de formation. Ces séances de formation qui se déroulent durant les mois de mars et d’avril sont réalisées sous la supervision de la Direction de l’Observatoire du Territoire.