Tontosa ny 15 jolay 2024 teny amin’ny canal GR Ilanivato ny fampahafantarana ny fisokafan’ny fampidiran-drano eto amin’ny lemak’Antananarivo amin’ity taom-pambolena 2024 ity.
Haharitra iray volana ny fanalana ireo tsikafona sy fako tena milentika eny amin’ity lakan-drano izay mirefy 14km ity, manomboka any amin’ny faritra Tanjombato ka hatrany amin’ny faritra soavimasoandro any.
Marihina fa roa volana tao alohan’izao dia efa nanadio ny lakan-dranon’Andriantany ny APIPA ao anatin’ilay opération FANTSIKA.
Laharam-pahamehana ho an’ny Fitondram-panjakana, ny MFFT ary ny APIPA ny fikojakojana ireo lakan-drano vaventy rehetra mamakivaky an’Antananarivo sy ny manodidina hoy ny Tale Jeneralin’ny APIPA, mba ahafahan’ny rano mikoriana tsara ary tsy miakatra any anaty tanàna sy ireo faritra iva rehetra.
Namafisiny ihany koa fa mbola mitoetra ary mihatra hatrany ny didim-panjakana tamin’ny 23 febroary 2022 manakana ny fanotofana tany, ary tsy mbola misy taratasy fahazoan-dalana avoakan’ny APIPA izay miandraikitra izany mivantana na avy amin’ny fanjakana.
Entanina hatrany ny vahoaka malagasy sy ny mponin’Antananarivo mba hanaraka hatrany ny lalàna napetraky ny fanjakana mba hisian’ny fiaraha-monina mitondra sy tontolo iainana madio.