






Fampiofanana ho an’ireo Ben’ny Tanàna sy Mpitantam-bola ao amin'ny faritra Androy sy Anôsy mikasika ny fampiasana ny famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena amin'ny alalan'ny tetikasa Mionjo
Mitohy hatrany ny fampiofanana izay ataon'ny MFFT sy ny ekipan'ny FDL ho an'ireo Ben'ny Tanàna sy ny mpitantam-bola ho an'ny faritra Androy sy Anôsy, ka mahakasika ny dingana amin'ny fampiasana ny famatsiam-bola izay avy amin'ny Banky iraisam-pirenena amin'ny alalan'ny tetikasa Mionjo indray no natao nanomboka omaly ary maharitra telo andro.
Raisina ao amin'ny Faritra Anôsy ireo Ben'ny Tanàna miisa 106 ireo ka nomena fampiofanana sy fanavaozam-pahalalana mahakasika ny fomba fampiasana ny vola izay efa any amin'ny kaontin'ny kaominina mba hananganana fotodrafitrasa sy ho fampandehanan-draharaha.
Tanjona amin'ity fihaonana ity ihany koa ny mba hisian'ny fifampizarana traikefa amin'ny samy kaominina ka miaraka mandroso sy samy mahavita an-tsakany sy an-davany ny fotodrafitrasa izay entina mampandroso ny Kaominina sy ny Faritra ary ny Firenena.
La formation à l’intention des Maires dans les régions Androy et Anôsy assurée par le MDAT et l’équipe du FDL se poursuit. Depuis hier, une session de trois jours a démarré, portant sur les procédures d’utilisation des financements alloués par la Banque mondiale à travers le projet MIONJO.
Cette session réunit dans la région Anôsy les 106 Maires concernés, qui bénéficient d’une formation et d’une recylage sur la gestion des fonds déjà disponibles dans les comptes des communes, en vue de la mise en place d’infrastructures et du bon fonctionnement administratif.
L’objectif de cette rencontre est aussi de favoriser le partage d’expériences entre communes, pour avancer ensemble et assurer la réalisation effective des infrastructures au service du développement des communes, des régions et du pays tout entier.