Fanatrehana fivoriana fifanakalozana traikefa sy fampiharana ny fanavaozana ny sehatry ny fananan-tany izay notanterahin'ireo solotena avy amin'ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany natao tany Malawi

Nanatanteraka iraka tany Malawi ny Delegasiona Malagasy ny 22 hatramin'ny 30 Aogositra lasa teo, nanatrika fivoriana fifanakalozana traikefa sy fampiharana ny fanavaozana ny sehatry ny fananan-tany. Tonga tany nisolon-tena ireo Tale sy manam-pahaizana avy amin’ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany, niaraka tamin’ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Tetikasa PRRC tantanan’ny CPGU sy manampahaizana manokana momba ny fananan-tany avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena eto Madagasikara.

Nandritry ny fivoriana dia nisy ny fifanakalozana ara-teknika sy stratejika ary nanokatra làlana vaovao ho an’ny :
  • fanamafisana ny fiaraha-miasa Atsimo-Atsimo,
  • fanamafisana ny fahalalana momba ny satan'ny fananan-tany mifandray amin’ny tany lovain-jafy,
  • fanafainganana ny hay tao ara-kajy mirindra amin’ny fomba fiasa ary amin'ireo dingana mikasika ny fananan-tany
  • fanatsarana ny fitantanana ny sehatry ny fananan-tany eto Madagasikara
Ny tanjona tamin'ny fionana dia ny fanatsarana ny fitantanana fananan-tany ho moderina, mandray anjara, ary manaja ny lova nentin-drazana izay hahitana vokany mivantana indrindra eo amin’ny fiahiana ny fananan-tany any amin’ireo faritra iasan’ny PRRC any atsimon’ny nosy.

Tafiditra ao anatin’ny vinavina an'ity tetikasa ity ihany koa ny fananganana tohodrano ho valin’ny filàna famatsiana rano fisotro madio, fampiasana rano amin’ny fambolena ary fampidirana herinaratra, indrindra any amin’ny faritra Androy sy Anosy.
Une délégation malagasy du Ministère de la Décentralisation et de l’Aménagement du Territoire (MDAT), accompagnée du Projet Régional de Résilience Climatique (PRRC) et d’un expert foncier de la Banque mondiale, s’est rendue au Malawi du 22 au 30 août pour un échange d’expériences sur la réforme foncière.

Cette mission a permis de :
  • renforcer la coopération Sud-Sud,
  • approfondir la compréhension des statuts fonciers et des traditions liées aux terres ancestrales
  • accélérer la digitalisation des données et procédures foncières
  • améliorer la gouvernance foncière

  • Les enseignements tirés contribueront à renforcer la sécurisation foncière à Madagascar, notamment dans les zones d’intervention du PRRC dans le Sud du pays.

    Le projet PRRC, financé par la Banque mondiale, prévoit aussi la construction de barrages pour l’adduction d’eau potable, l’irrigation et l’accès à l’électricité dans les régions Androy et Anosy.
sary 1
sary 2
sary 3
sary 4
sary 5
sary 6
sary 7
sary 8
sary 9
sary 10
Scroll to Top