Fanehoana_asa_vita_MATAC2_11
Fanehoana_asa_vita_MATAC2_01
Fanehoana_asa_vita_MATAC2_02
Fanehoana_asa_vita_MATAC2_03
Fanehoana_asa_vita_MATAC2_04
Fanehoana_asa_vita_MATAC2_05
Fanehoana_asa_vita_MATAC2_06
Fanehoana_asa_vita_MATAC2_07
Fanehoana_asa_vita_MATAC2_08
Fanehoana_asa_vita_MATAC2_09

Fanehoana ny vokatrin’ny asa vita tany amin’ireo kaominina, ny SRAT ary ny DLAT ho an’ny MATAC 2.

Tao aorian'ny fanombohana ofisialy ny dingana faharoa amin’ny tetikasa MATAC/Hanorina izay tanterahin’ny Ministeran’ny Firsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany, miaraka amin’ny fanohanan’ny tetikasa PRODUIR, dia natao androany tao amin’ny MFFT ny fanehoana ny vokatrin’ny asa vita tany amin’ireo kaominina, ny SRAT ary ny DLAT ho an’ny MATAC 2. Natrehan’ireo ekipa teknika avy eto amin'ny Minisitera ary ireo solontenan'ireo kaominina eto Antananarivo. Ireto avy ny zava-bita :
✅ Fanofanana sy fanohanana ara-teknika ho an’ny kaominina miisa 38 ao amin’ny faritra manodidina an’Antananarivo, ny DLAT miisa 3 ary ny SRAT Analamanga;
✅ Fanomezana solosaina sy fitaovana ara-teknika ho an’ny kaominina miisa 21 vaovao, ny DLAT miisa 3 ary ireo sampandraharaha misahana ny fanaraha-maso ny fampiharana ny MATAC/Hanorina;
✅ Fanomezana tolotra ''internet'' ho an’ireo kaominina miisa 38 rehetra, ny DLAT miisa 3 ary ny SRAT Analamanga;
✅ Fifaneraserana sy fanentanana ho an’ireo vahoaka mpisitraka Ny MATAC dia mamaly ny fahavononan’ny fanjakana hanavao sy hanatsara ny fitantanana sy ny asa eny anivon'ny kaominina. Ity atrikasa ity dia natao hanamora sy hanatsotra ny tolotra omen’ny kaominina ho an’ny vahoaka, indrindra eo amin’ny fanomezana fahazoan-dàlana amin’ny sehatry ny fanajariana ny tany, toy ny fahazoan-dàlana hanorina.
Suite au lancement de la deuxième phase du projet MATAC / Hanorina (Ministère de l’Aménagement du Territoire : Autorisation de Construire), une séance de restitution s’est tenue ce jour au MDAT, en présence du Secrétaire Général du ministère. Cette rencontre a rassemblé l’équipe technique du MDAT, les représentants des communes du Grand Tana, les Directions Locales de l’Aménagement du Territoire (DLAT) et le Service Régional de l’Aménagement du Territoire (SRAT) Analamanga, afin de faire le point sur les activités réalisées. Le projet a permis :
✅ La formation et l’assistance technique des 38 communes du Grand Tana, des 3 DLAT et du SRAT Analamanga ;
✅ La dotation en ordinateurs et matériels techniques pour 21 nouvelles communes, les 3 DLAT et les services en charge du suivi du dispositif ;
✅ La mise en place d’abonnements internet pour l’ensemble des 38 communes, les DLAT et le SRAT ;
✅ Des actions de communication et sensibilisation auprès des usagers. MATAC / Hanorina s’inscrit dans la volonté de l’État de moderniser l’administration territoriale et de simplifier l’accès aux autorisations d’urbanisme, notamment le permis de construire. Cette restitution marque une nouvelle étape vers une meilleure qualité de service pour les citoyens.
Scroll to Top