Fanokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Birao Solotenan’ny Fananan-tany Iraisana (BSFI) izay mampiray an’i Ambohidrabiby, Ambohimanga Rova ary Talatavolonondry.
Tontosa ny 17 Septambra ny fanokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Birao Solotenan’ny Fananan-tany Iraisana (BSFI) izay mampiray an’i Ambohidrabiby, Ambohimanga Rova ary Talatavolonondry.
Lanonana natrehan’ny Filohan’ny Antenimieran-doholona sy ireo manampahefana ambony maro toy ny Minisitry ny Indostria sy ny varotra, ny Sekretera jeneralin’ny Minisitry ny Mponina, ny solontenan'ny MFFT izay notarihin'ny Tale Jeneralin'ny Fanantany, ny solombavambahoaka an'Avaradrano ary ireo ben'ny tanàna an'ireo kaominina nisitraka izany.
Ao anatin'ny laharam-pamehan’ny MFFT hatrany ny fanavaozana ny fitantanana ny fananan-tany sy fampandrosoana ara-toekarena eny ifotony.
Nandritry ny hetsika dia nisy ny fanolorana fanampiana ho an’ny mpamokatra savony AGR Kanto sy Rosa Confection (UAFLA), ary fanolorana fitaovana fambolena ho an’ireo vondron’ny tantsaha any Avaradrano.