SARY12052025_1700_1
SARY12052025_1700_2
SARY12052025_1700_10
SARY12052025_1700_4
SARY12052025_1700_5
SARY12052025_1700_6
SARY12052025_1700_7
SARY12052025_1700_8
SARY12052025_1700_3
SARY12052025_1700_9

Fidinana ifotony nataon'ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, niaraka tamin’ny Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany ary ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo teny Ankasina (Boriborintany Voalohany)

Nidina ifotony teny Ankasina (Boriborintany Voalohany) androany ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, niaraka tamin’ny Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany ary ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo, mba hijery akaiky ny fandrosoan’ ny tetikasa PRODUIR. Nandritra ny fitsidihana dia hita fa mbola betsaka ny filàna fotodrafitrasa sosialy eny an-toerana, toy ny toeram-pidiovana sy toerana hialana voly. Nomena toromarika avy hatrany ny tompon’andraikitra mahakasika izany, ary anisan’izany ihany koa ny fanarenana ireo lalankely sy arabe simba. Ho fanajana ny tanjona napetraky ny tetikasa sy fiarovana ny fahadiovan’ny tanàna, dia nanentana ny Filoham-pirenena amin’ny fanatanterahana fanadiovana faobe ny lakan-drano amin’ny fokontany tsirairay. Hisy valisoa manokana homena ho an’izay mandray anjara mavitrika amin’izany. Ankoatra izay, natomboka tao amin’ny Boriborintany Voalohany ny fizarana fanampiana ho an’ireo mponina monina amin’ny faritra iva. Hitohy tsikelikely amin’ireo boriborintany rehetra eto Antananarivo izany fepetra sosialy izany.
Le Président Andry Rajoelina s’est rendu ce jour à Ankasina (1er arrondissement d’Antananarivo), accompagné du Ministre de la Décentralisation et de l’Aménagement du Territoire et du Maire de la capitale, pour suivre de près la mise en œuvre du projet PRODUIR. Cette visite a permis de constater les besoins persistants en infrastructures sociales de base, notamment les sanitaires publics et les espaces de loisirs. Des instructions ont été données pour leur aménagement, ainsi que pour la réhabilitation des ruelles et voies dégradées. Dans le respect des objectifs du projet et pour renforcer la salubrité urbaine, le Chef de l’État a lancé un appel à la mobilisation citoyenne pour une campagne de nettoyage massif des canaux d’évacuation dans chaque quartier. Un système de récompense est prévu pour encourager les initiatives locales. Enfin, une distribution d’aides a été lancée au bénéfice des habitants des zones basses, à commencer par le 1er arrondissement. Cette opération sera étendue à tous les arrondissements d’Antananarivo.
Scroll to Top