Fivoriana niarahan’ny Fikambanana Fonenana Mendrika (AFM) ny MFFT niompana tamin’ny fanolorana ny tatitry ny “Toeram-ponenana mendrika ho an’ny rehetra”

Ny 24 septambra 2024 dia nanatanteraka fivoriana niaraka tamin’ny Fikambanana Fonenana Mendrika (AFM) ny MFFT niompana tamin’ny fanolorana ny tatitry ny “Toeram-ponenana mendrika ho an’ny rehetra” izany. Boky mirakitra ny vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny AFM, ny Fondation Abbé Pierre, ny mpaka sary Rija Solo ary ny sampan-draharaha frantsay momba ny fampandrosoana. Izay manasongadina ny fanantanterahana ny asa tao amin’ny distrika madinika miisa 5 ary niantraika mivantana tamin’ny mpahazo tombontsoa miisa 500.

Ny tale jeneraly sy ny mpandrindra ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny AFM no nanolotra ny famelabelarana, teo anatrehan’ny Minisitra , ny Tale jeneralin’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany ary ny Tale Jeneralin’ny MFFT .

Ny Ministera ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany dia manohana hatrany ny tetikasa maneho ny fiaraha-mientana sy fiaraha-miasa izay manatsarana ny toe-piainan’ny vahoaka eny ifotony sy ny fampandrosoana maharitra amin’ny alalan’ny ny fiarovana ireo zon’ny fananan-tany

——————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————–

Le 24 septembre 2024, le Ministère de la Décentralisation et de l’Aménagement du Territoire (MDAT) a accueilli une rencontre avec l’Association Fonenana Mendrika (AFM), centrée sur la présentation du rapport « Un logement digne pour toutes et pour tous ». Ce document, issu d’un partenariat stratégique entre l’AFM, la Fondation Abbé Pierre, le photographe Rija Solo et l’Agence Française de Développement, met en lumière les progrès réalisés dans cinq micro-quartiers, touchant directement 500 bénéficiaires.
La présentation a été assurée par le Directeur exécutif et la Coordonnatrice des opérations de l’AFM, en présence du Ministre, des services fonciers et de la Direction Générale de l’Aménagement du Territoire. Ce rapport reflète l’engagement collectif pour améliorer durablement les conditions de vie, avec le soutien constant du MDAT pour la sécurisation foncière et la régularisation des bâtis.