Didim-panjakana mametraka ny Bokim-piraketana Nasionaly ho an’ireo Fifanaraham-panofan-tany.

Didim-panjakana mametraka ny Bokim-piraketana Nasionaly ho an’ireo Fifanaraham-panofan-tany. 📢 Bokim-piraketana Nasionaly ho an’ireo Fifanaraham-panofan-tany (SNB) OFISIALY AMIN’IZAY : Efa nivoaka sy naparitaka ny didim-panjakana mametraka ny Bokim-piraketana Nasionaly ho an’ireo Fifanaraham-panofan-tany. Nankatoavin’ny Filankevitry ny Ministra tamin’ny 18 jona 2025 io didim-panjakana laharana 2025-697 izay nanamarika dingana lehibe ny fanavaozana ny fitantanana ireo tanim-panjakana. 🗂️Inona izany Bokim-piraketana Nasionaly ho an’ireo Fifanaraham-panofan-tany izany ? Ny Bokim-piraketana Nasionaly ho an’ireo Fifanaraham-panofan-tany dia rejisitra nasionaly natao itahirizana sy itondrana ny rakitry ny fifanarahana fanofana ireo tanim-panjakana manerana an’i Madagasikara. Nahoana no mila an’io boky io ? ✅ Ho famondronana ireo angon-drakitra rehetra momba ny fanofana tany ; ✅ Ho fanatsarana ny fangaraharahana sy ny fanaraha-maso ny fitantanana ireo fifanaraham-panofan-tany ; 📌 Ny Tahirimbola Nasionaly ho an’ny Fananantany (FNF) no tompon’andraikitra amin’ny fanatanterahana ireo andinindininy ary miara-miasa amin’ny Fitalevana Ankapobeny ho an’ny Sampandraharahan’ny Fananan-tany (DGSF). 📍 Antsoina mba hijery ny lisitry ny antontan-taratasy takiana ary hanantona ny Tahirim-bola Nasionaly ho an’ny Fananan-tany (FNF) ireo olona izay nanao sonia fifanarahana fanofan-tany (fanofan-tany maharitra na tsotra) mba hampanoratra ny fifanarahana fanofana tany izay ananany. Tahirim-bola Nasionaly ho an’ny Fananan-tany (FNF), Route Digue – Ambodimita- Enceinte APIPA – Antananarivo 101- 📍 Mba hafantaranao ny lisitry ny antontan-taratasy ilaina amin’izany sy ireo fanazavana fanampiny : Araho tsy tapaka ny pejy facebook ofisialy an’ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany sy ny Tahirimbola Nasionaly ho an’ny Fananantany (Fonds National Foncier) 📢 C’EST OFFICIEL : Le décret portant création du SOMMIER NATIONAL DES BAUX (SNB) est désormais publié ! Adopté en Conseil des Ministres le 18 juin 2025, le Décret n°2025-697 marque une étape importante dans la modernisation de la gestion des terres de l’État. 🗂️ Qu’est-ce que le SNB ? Le Sommier National des Baux est un registre national qui recensera tous les contrats de location (baux) portant sur des terrains appartenant à l’État, partout à Madagascar. Pourquoi ce registre ? ✅ Pour centraliser les informations sur les baux, ✅ Pour améliorer la transparence et le suivi, 📌 La mise en œuvre de ce dispositif est confiée au Fonds National Foncier (FNF), en collaboration avec la Direction Générale des Services Fonciers (DGSF). 📍 Les personnes ayant signé un bail avec l’État (ordinaire ou emphytéothique) sont invitées à consulter la liste des documents requis et se rapprocher du FNF afin de procéder à l’enregistrement officiel de leur contrat: Fonds National Foncier (FNF) , Route Digue – Ambodimita- Enceinte APIPA – Antananrivo 101- 📍 Pour consulter la liste des documents requis et pour plus d’informations, suivez les pages Facebook officielles du Ministère de la Décentralisation et de l’Aménagement du Territoire (Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany) et du Fonds National Foncier).

Didim-panjakana mametraka ny Bokim-piraketana Nasionaly ho an’ireo Fifanaraham-panofan-tany. Read Post »

Fanokanana ny ivotoerana vaovao fiasan’ny famantarana ny toetr’andro izay iarahan’ny Ministera roa tonta(MDAT sy MTM).

Fanokanana ny ivotoerana vaovao fiasan’ny famantarana ny toetr’andro izay iarahan’ny Ministera roa tonta(MDAT sy MTM). Notanterahina androany ny fanokanana ny ivotoerana vaovao fiasan’ny famantarana ny toetr’andro eto Madagasikara. Fanavaozana sy fampitaovana no natao tamin’izany mba ahafahana manome sy manaparitaka vaovao mari-pototra manerana ny Nosy sy any ivelany mikasika ny toetr’andro. Fiaraha-miasa izay iarahan’ny Ministeran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr’andro (MTM), sy ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany (MFFT) amin’ny alalan’ny tetikasa PRODUIR, ary tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena. Asa iandraiketan’ny tetikasa PRODUIR ny fiarovana an’Antananarivo manoloana ireo tondra-drano, izay mifandray amin’ny famantarana ny toetr’andro. Amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisitera roa tonta izao no ahitana vokatra ho entina manatsara hatrany ny tolotra omena ny vahoaka. Un nouveau centre opérationnel de prévisions météorologiques vient d’être inauguré à Madagascar. Rénové et équipé de nouveaux serveurs, ce centre permettra de produire et de diffuser des informations météorologiques fiables, tant au niveau national qu’international. Il contribuera à une meilleure anticipation des aléas climatiques, notamment dans les zones urbaines sensibles comme Antananarivo. La mise en place de ce centre s’inscrit parmi les actions engagées pour renforcer la résilience face aux inondations et améliorer la qualité des services publics destinés à la population. Cette réalisation est portée par le projet PRODUIR, soutenu par la Banque mondiale, en collaboration entre le Ministère de la Décentralisation et de l’Aménagement du Territoire (MDAT) et le Ministère des Transports et de la Météorologie (MTM).

Fanokanana ny ivotoerana vaovao fiasan’ny famantarana ny toetr’andro izay iarahan’ny Ministera roa tonta(MDAT sy MTM). Read Post »

Bokim-piraketana ireo Fifanaraham-panofan-tany (SB), Bokim-piraketana Nasionaly ireo Fifanaraham-panofan-tany (SNB)

Bokim-piraketana ireo Fifanaraham-panofan-tany (SB), Bokim-piraketana Nasionaly ireo Fifanaraham-panofan-tany (SNB) Bokim-piraketana ireo Fifanaraham-panofan-tany (SB), Bokim-piraketana Nasionaly ireo Fifanaraham-panofan-tany (SNB) ? Inona marina moa izany ? ➡️Araka ny tontolo maha zava-dehibe ny fahaiza-mitantanana ireo tanim-panjakana azo amidy izay antoka ara-stratejika ho fampandrosoana an’i Madagasikara na ny tany fambolena, na ny tany hametrahana orinasa, na ny tany natao ho an’ny fizahantany, na ny tany ho an’ny fanajariana ny tanan-dehibe dia tena ilain’ny firenena tokoa ankehitriny ny fananana fitaovana iray mampivodrona, sy mangarahara ary azo antoka. ➡️Ny Sampandraharahan’ny Fananan-tany tsirairay avy dia mitazona « bokim-piraketana ireo fifanaraham-panofan-tany », izany hoe rejisitra ara-panjakana mitahiry ireo fifanarahana fanofan-tany rehetra tapaka teo amin’ny Fanjakana sy ireo olon-tsotra na orinasa ao amin’ny faritra iandraiketany. Kanefa, noho ny tsy fisian’ny fanangonana, tsy tena nahazoana namoaka ny fomba fijery mazava tsara na ny fomba fitantanana ara-stratejika mifandraika amin’ny sehatra nasionaly ireny bokim-piraketana ireny, izay no antony ilàna ny fampidirana azy ireo ao anatin’ny « Bokim-piraketana Nasionaly ireo Fifanaraham-panofan-tany ». ➡️Ny famoronana ity Bokim-piraketana Nasionaly ireo Fifanaraham-panofan-tany ity dia tafiditra tanteraka ao anatin’ireo tanjona fanatsarana ny fitantanana ny fananan-tany izay avoitran’ny Fandaharan’asa Nasionalymomba ny Fananan-tany (PNF II), indrindra eo amin’ny lafiny fangaraharana, ny fanangonana angon-drakitra sy ny fanavaozana ny fitantanana ny tanim-panjakana. ↪️Ny Tahirim-bola Nasionaly ho an’ny Fananan-tany (FNF) izay efa miandraikitra ny fanaraha-maso ny fanantanterahana ny PNF II, no ho tompon’andraikitra amin’ny famoronana ity Bokim-piraketana Nasionaly ireo Fifanaraham-panofan-tany ity, miaraka amin’ny fanohanana avy amin’ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany (MDAT). Jereo amin’ireo sary fanazavana manaraka ireo : 🔹Inona no atao hoe fifanaraham-panofana sy ny anjara andraikitry ny Bokim-piraketana ireo Fifanaraham-panofan-tany (SB) efa misy eny anivon’ny Sampandraharahan’ny Fananan-tany. 🔹Ny antony sy ny tanjonan’ny namoronana ny Bokim-piraketana Nasionaly ireo Fifanaraham-panofan-tany (SNB). 🔹Ny mahasamihafa ny SNB sy ny Bokim-piraketana ireo Fifanaraham-panofan-tany (SB) eny anivon’ny Sampandraharahan’ny Fananan-tany. 📢Fanavaozana tena izy ho amin’ny fitantanana tsara kokoa ny fananan-tany.

Bokim-piraketana ireo Fifanaraham-panofan-tany (SB), Bokim-piraketana Nasionaly ireo Fifanaraham-panofan-tany (SNB) Read Post »

Modernisation Foncière à Madagascar : Mutualisation et Renforcement des Compétences

Modernisation Foncière à Madagascar : Mutualisation et Renforcement des Compétences Dans le cadre de la modernisation foncière et de la promotion de la gouvernance foncière à Madagascar, une descente en vue de la mutualisation des interventions foncières de la DGSF et de la DGFNF s’est tenue le lundi 23 Juin 2025 à Arivonimamo. Une occasion également pour la Direction Générale du Fonds National Foncier d’organiser une formation en comptabilité domaniale pour les trois Circonscriptions : celle de Miarinarivo, celle de Tsiroanomandidy et celle d’Arivonimamo. L’objectif étant de renforcer les compétences des agents en matière de comptabilité domaniale afin d’assurer une gestion plus transparente et efficace des ressources foncières. Une occasion également pour la sensibilisation des trois Circonscriptions sur le nouveau décret fixant les modalités de création du Sommier National des Baux pour la centralisation, le suivi des informations foncières relatives aux contrats de bail conclus avec l’Etat malagasy dont le FNF assurera la gestion et le suivi. Rappelons que plusieurs Circonscriptions domaniales ont déjà bénéficié de cette formation dispensée par le FNF et cela se poursuivra dans d’autres Circonscriptions.

Modernisation Foncière à Madagascar : Mutualisation et Renforcement des Compétences Read Post »

Sécurisation Foncière dans la Commune Rurale d’Arivonimamo II : 25 493 Certificats Remis

Sécurisation Foncière dans la Commune Rurale d’Arivonimamo II : 25 493 Certificats Remis Une cérémonie de remise de 25 493 certificats fonciers aux bénéficiaires locaux s’est tenue le lundi 23 juin 2025 dans la Commune Rurale d’Arivonimamo II, l’une des 26 communes accompagnées par le projet TAFITA. La cérémonie s’est déroulée en présence du Directeur Général des Services Fonciers, accompagné de plusieurs Directeurs Généraux et Directeurs techniques du Ministère de la Décentralisation et de l’Aménagement du Territoire (MDAT), témoignant de l’engagement coordonné de l’institution dans la mise en œuvre d’actions concrètes en faveur des collectivités. Ce résultat est le fruit d’une étroite collaboration entre le MDAT, la Commune Rurale d’Arivonimamo II et le projet TAFITA, financé par l’Union européenne. La sécurisation foncière ainsi renforcée offre aux habitants une stabilité juridique dans l’exploitation de leurs terres, ouvrant la voie à un meilleur accès au crédit, à des investissements agricoles durables et à une amélioration des conditions de vie.

Sécurisation Foncière dans la Commune Rurale d’Arivonimamo II : 25 493 Certificats Remis Read Post »

Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Dingana faha-III amin’ny Tetikasa PDCID III

Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Dingana faha-III amin’ny Tetikasa PDCID III Ny Talata, 17 Jona 2025 , Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Dingana faha-III amin’ny Tetikasa PDCID III, izay tanterahin’ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany (MFFT), amin’ny alalan’ny FDL, ary vatsian’ny tetikasa Alemana KfW vola. Tonga nanokatra ny lanonana ny Minisitrin’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany, natrehin’ny Ambasadaoron’i Alemana eto Madagasikara, ny Tale Jeneralin’ny KfW, ireo solontenan’ny MFFT, ny tetikasa Alemana, ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, ary ireo solontenan’ireo ben’ny tanàna efa nahazo tombontsoa tamin’ireo dingana teo aloha. Ny PDCID dia mikendry ny hanamafisana ireo tolotra ho an’ny vahoaka avy amin’ny fanjakana eny anivon’ny kaominina, ary hampiroborobo sy hampahomby ny fitantanana eny ifotony, . Tafiditra tanteraka ao anatin’ny PNDE ny fandaharan’asa , izay mikendry indrindra ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina ambanivohitra. Dingana faha-III , mikendry hatrany ny fanatsarana ny zava-bita tamin’ireo dingana teo aloha, ary hanohanana ny asa atao any amin’ ireo kaominina ambanivohitra. Hiompana eny anivon’ny kaominina ny faritra DIANA sy BOENY ho fanavaozana ireo fotodrafitrasa fototra sy fanamafisana ireo tolotra avy amin’ny fanjakana. Ho fanampin’izany, dia hisy tetikasa andrana hotanterahina any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara. Le Ministre de la Décentralisation et de l’Aménagement du Territoire, Naina ANDRIANTSITOHAINA, a procédé ce jour au lancement officiel de la Phase III du Programme de Développement Communal Inclusif et de Décentralisation (PDCID III), lors d’une cérémonie organisée au siège du Fonds de Développement Local (FDL) à Anosy. Aux côtés du ministre, plusieurs figures majeures de la coopération internationale ont pris part à l’événement, dont l’Ambassadeur d’Allemagne, S.E. Oliver Knoerich, et le Directeur de la KfW, Stefan Zeeb. Financé à hauteur de 25 millions d’euros par la coopération allemande à travers la KfW, avec un cofinancement de 1,25 million d’euros de l’État malgache, le PDCID III entend renforcer l’accès aux services publics essentiels dans les communes rurales et appuyer une gouvernance locale plus inclusive. L’action s’inscrit dans la continuité du Plan National de Décentralisation Émergente (PNDE). Lancé pour la première fois en 2015, le programme a déjà permis la réhabilitation de 115 km de pistes rurales, la construction de 79 écoles équipées en eau potable, sanitaires et mobilier, et le lancement de 26 écoles supplémentaires. À cela s’ajoutent 25 bâtiments administratifs communaux en cours de réalisation. La Phase III du programme se concentrera sur les régions DIANA et BOENY, avec l’introduction d’un projet pilote dans le Sud. Objectif : étendre l’accès aux infrastructures de base et améliorer la qualité des services de proximité, dans les zones souvent isolées.

Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Dingana faha-III amin’ny Tetikasa PDCID III Read Post »

Fihaonana mivantana niarahan’ny Governemanta sy ireo Loholon’i Madagasikara ny 16 Jona 2025.

Fihaonana mivantana niarahan’ny Governemanta sy ireo Loholon’i Madagasikara ny 16 Jona 2025. Taorian’ny fifanakalozan-kevitra niaraka tamin’ireo Solombavambahoaka, dia niatrika fanontaniana sy fanehoan-kevitra avy amin’ireo Loholona indray ny Governemanta, notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tany amin’ny Lapan’i Mahazoarivo. Nandritra ny fotoana dia nanazava ny zava-bita sy paikady ampiharina ny Minisitrin’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany , Naina ANDRIANTSITOHAINA, mba hanatsarana ny fiainan’ny vahoaka amin’ny sehatra telo lehibe : ny fanjakana akaiky vahoaka, ny fanajariana ny tany ary ny fananan-tany. Teboka nisongadina : Fanohizana ny ady amin’ny fanotofana tany tsy ara-dalàna Fanamafisana ny Fitantanana ny fananan-tany Fanohanana akaiky ny Kaominina Ireo fandraisana andraikitra ireo dia mitodika manokana amin’ny vahoaka eny ifotony, ho fampiharanana ny mangarahara sy ny fandrindrana mahomby ao anatin’ny fitantanana ny tany.

Fihaonana mivantana niarahan’ny Governemanta sy ireo Loholon’i Madagasikara ny 16 Jona 2025. Read Post »

Minisitera mamaly ny hetahetan’ny olom-pirenena, izay nampitain’ny Solombavambahoaka nandritra ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny Governemanta tao Tsimbazaza ny 12 sy 13 jona 2025

Minisitera mamaly ny hetahetan’ny olom-pirenena, izay nampitain’ny Solombavambahoaka nandritra ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny Governemanta tao Tsimbazaza ny 12 sy 13 jona 2025 Ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany (MFFT) dia namaly ny hetahetan’ny olom-pirenena, izay nampitain’ny Solombavambahoaka nandritra ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny Governemanta tao Tsimbazaza ny 12 sy 13 jona 2025 lasa teo. Manatanteraka asa mivaingana ny Minisitera ho fanatsarana ny fiainan’ny Malagasy amin’ny sehatra telo fototra : ny fitsinjaram-pahefana, ny fanajariana ny tany, ary ny fananan-tany. Anisan’izany: ➡️ Fepetra hentitra amin’ny ady amin’ny fanotofana tany tsy ara-dalàna – Mijanona ny fanotofana tany eto Antananarivo. – Fananganana birao manokana miady amin’ny fanotofana tany tsy ara-dalàna. – Fanadiovana sy fikojakojana ireo lakandrano ho fiomanana amin’ny orana sy fiakaran’ny rano. ➡️ Eo ihany koa ny fananganana biraon’ny Sampandraharaha ny fananan-tany mba hanakaiky vahoaka sy vahaolana amin’ireo olana ara-tany mbola tsy voavaha. ➡️Birao Solontenan’ny Fananan-tany Iraisana (BSFI) miisa 60 no hatsangana, indrindra any amin’ireo distrika mbola tsy misy izany toy ny Vondrozo, Manandriana, ary Mananara Avaratra. ➡️Fanombohana sy fitohizan’ny hetsika lehibe momba ny  » sécurisation foncière » any Sainte-Marie sy Fianarantsoa. ➡️Fitantanana amin’ny fomba mitovy ny tany any amin’ny faritra tahaka an’i Majunga. ➡️Fikarakarana ireo taratasin-tany mifandray amin’ireo tany tamin’ny andron’ny fanjanahantany (coloniaux) taloha, toy ny an’i Ambatolampy. Ho hamafisina ny fanohanana atao amin’ ireo kaominina ➡️Fampiofanana sy fanohanana ireo olom-boafidy eny an-toerana: fampandraisana andraikitra ireo Ben’ny Tanàna, ny MOCA (Maitrise d’Ouvrage Communal Accompagné), fametrahana drafitra fotodrafitrasa ho an’ny kaominina. ➡️Fampidirana ny fitaovana nomerika: sehatra I-Hofana, rafitra District 2.0, ary torolalana azo ampiharina. ➡️Fanohanana ara-bola amin’ny alalan’ny: – Fonds de Développement Local (FDL), – Fonds National de Péréquation (FNP), – Fampindramam-bola miorina amin’ny zava-bita na amin’ny fitsinjaram-pahefana ara-drariny araka ny sanda IPM (indice de pauvreté) na ny vahaolana mikasika »crédit carbone ». ➡️Tambin-karama ho an’ireo sefom-pokontany sy fanampiana ho an’ny Kaominina – Fandoavana ireo tambin-karama sy fanampiana ireo sefom-pokontany alohan’ny 26 jona 2025, raha feno ny antontan-taratasy. – Famatsiana ara-pitaovana ho an’ireo kaominina, toy ny an’i Farafangana. – Fampiroboroboana ny vahaolana ho entina manavao ny loharanon-karena eny an-toerana (toy ny  »crédit carbone » sy ny fanangonana ireo hetra-tany). Mbola mitohy ao amin’ny lapan’ny antenimieran-doholona anio ny tatitry ny governemanta tao aorian’ny famaliana ireo fanontaniana izay napetraky ny solombavam-bahoaka teny amin’ny antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza.

Minisitera mamaly ny hetahetan’ny olom-pirenena, izay nampitain’ny Solombavambahoaka nandritra ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ny Governemanta tao Tsimbazaza ny 12 sy 13 jona 2025 Read Post »

Transformation digitale dans le secteur public

Transformation digitale dans le secteur public Hier, le MDAT a réuni ses Directeurs Généraux et Directeurs techniques pour poser les bases d’une transformation digitale cohérente. L’approche présentée, fondée sur l’architecture d’entreprise, permettra de structurer les projets numériques du Ministère autour d’une vision commune, intégrée et performante. Les discussions ont permis de définir les orientations stratégiques à adopter, les actions à prioriser et les perspectives à envisager pour faire du numérique un moyen de modernisation efficace. Un Comité ministériel d’architecture ou de validation des systèmes d’information sera mis en place afin d’assurer une meilleure coordination et validation des initiatives numériques. Parmi les objectifs poursuivis : ↪️ Identifier les solutions technologiques adaptées aux missions du Ministère ; ↪️ Proposer des leviers concrets pour améliorer les processus internes ; ↪️ Renforcer la coordination entre projets numériques, en cours et à venir ; ↪️ Promouvoir une culture partagée de l’innovation au sein des structures du MDAT. Un atelier stratégique est également prévu au mois de juillet à Fianarantsoa. Il réunira les Directeurs Généraux, les responsables concernés ainsi que des étudiants de l’École de Management et d’Innovation Technologique (EMIT). L’expérimentation portera sur la valorisation des données existantes à Nosy Be (PLOF, MATAC, PDLII) en vue de leur transformation digitale. Ce modèle pilote sera progressivement étendu aux autres régions si les résultats s’avèrent concluants.

Transformation digitale dans le secteur public Read Post »

Réunion de restitution pour la dématérialisation des services CIRDOMA et CIRTOPO de la Commune Urbaine d’Antananarivo

Réunion de restitution pour la dématérialisation des services CIRDOMA et CIRTOPO de la Commune Urbaine d’Antananarivo Une réunion de restitution a été tenue ce jour dans le prolongement du projet PRODUIR, à la suite des prestations menées pour la dématérialisation des services CIRDOMA et CIRTOPO de la Commune Urbaine d’Antananarivo. Les prestataires MD2I (pour le CIRDOMA) et BIGTOPO (pour le CIRTOPO) ont présenté le bilan de leurs interventions devant le Coordinateur chargé de la gestion des projets, le Directeur Général du Service Foncier, ainsi que les équipes techniques du MDAT. Les échanges ont porté sur les aspects méthodologiques et sur la pérennisation des opérations à travers la montée en compétence des techniciens, afin de garantir la continuité et la systématisation de la numérisation de la gestion foncière. Cette réunion a également marqué l’annonce de la mise en place d’un distributeur automatique d’information, un outil innovant permettant la délivrance d’actes publics comme le certificat numérique de situation juridique et le plan numérique. Une avancée concrète pour faciliter l’accès aux documents fonciers au bénéfice des habitants de Tana Ville. Tanteraka androany ny fivoriana izay namintinana ny asa vita tamin’ny fanantotosana ny fanovana ho nomerika ireo antontan-taratasy kirakirana ao amin’ny CIRDOMA sy CIRTOPO eto Antananarivo Renivohitra, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa PRODUIR. Fotoana nanaovana tombana ny asa vita izay nataon’ny MD2I ho an’ny sehatry ny CIRDOMA ary ny BIGTOPO kosa ho an’ny CIRTOPO. Tonga nanatrika ity fotoana ity ny tale jeneralin’ny Sampandraharahan’ny tany, sy ireo ekipa teknika avy ato amin’ny MFFT ka niompana tamin’ny fomba fiasa sy ny fanomanana ireo teknisianina amin’ny asa ho avy, mba hahazoana antoka ny fitohizan’ ny asa ary ho fanamorana ny fitantanana ny fananan-tany. Nambara nandritra ny fihaonana ihany koa ny fametrahana fitaovana mpaninjara vaovao izay manome ireo antontan-taratasy ofisialy toy ny taratasy manamarina ny fananan-tany amin’ny endrika nomerika sy ny sarintany nomerika izay mitondra amin’ny fampandrosoana ka manamora ny fahazoan’ny mponina eto Antananarivo Renivohitra ireo antontan-taratasy ilainy amin’ny raharaha mahakasika ny taniny.

Réunion de restitution pour la dématérialisation des services CIRDOMA et CIRTOPO de la Commune Urbaine d’Antananarivo Read Post »

Scroll to Top