Atrik’asa fanamafisana ny fanarenana an-tànan-dehibe manoloana ny fiovan’ny toetr’andro

Ny Alatsinainy 23 Septambra lasa teo, no nanomboka ny atrik’asa fanamafisana ny fanarenana an-tànan-dehibe manoloana ny fiovan’ny toetr’andro izay tetikasa vatsian’ny sampandraharaha frantsay momba ny fampandrosoana (AFD). Miisa 16 ny mpandray anjara amin’ity fandaharanasa ity ary ahitana ny Talem-paritra sy ny sampandraharahan’ny fanajariana ny tany ao amin’ny faritra DIANA sy SAVA. Tarihany manam-pahaizana avy ao amin’ny GINGER-SOFRECO sy MFFT, fiofanana mikendry ny hampiditra ny paikadin’ny fandrindrana ny toetr’andro an-tanan-dehibe. Lohahevitra maro no voarakitra ao anatin’izany : ny fiovan’ny toetr’andro, ny fitantanam-bola eo anatrehan’izany. Ny fanokafana dia nahitana ireo manampahefana eny an-toerana. Ary dingana iray lehibe ho an’ireo faritra voakasika izany satria manamarika ny fanohanana ireo vondrom-piarahamonina hiatrika ny vokatry ny zava-miseho entin’ny toetr’andro ankehitriny. ——————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————– Depuis le lundi 23 Septembre, un atelier de formation se tient à l’Hôtel de la Poste d’Antsiranana dans le cadre du projet « Renforcement de la résilience des villes face au changement climatique, » financé par l’Agence Française de Développement (AFD). Cet atelier réunit 16 participants, dont les Directeurs Régionaux et les responsables des Services d’Aménagement du Territoire des régions Diana et SAVA.Sous la direction conjointe des experts de GINGER-SOFRECO et du MDAT, cette formation a pour objectif d’intégrer des stratégies de résilience climatique dans la planification urbaine. Divers sujets sont abordés, tels que le changement climatique, les finances climat, et la résilience urbaine.L’ouverture officielle s’est déroulée en présence des autorités locales, marquant une avancée majeure dans l’accompagnement des collectivités pour relever les défis climatiques actuels.

Atrik’asa fanamafisana ny fanarenana an-tànan-dehibe manoloana ny fiovan’ny toetr’andro Read Post »

Famaranana tamin’ny fomba ofisialy ny atrik’asa fanamafisana ny fanarenana an-tànan-dehibe manoloana ny fiovan’ny toetr’andro, izay nataon’ny GINGER Sofreco

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny Alakamisy 11 Jolay 2024 tao amin’ny Grand Melis Tsaralalàna ny atrik’asa fanamafisana ny fanarenana an-tànan-dehibe manoloana ny fiovan’ny toetr’andro, izay nataon’ny GINGER Sofreco , tetikasa vatsian’i AFD. Ny vokatra nandrasana tamin’ity atrik’asa ity dia ny hananana paikady sy teknika hahafahan’ny tanàn-dehibe miatrika sy miomana ara-pitaovana sy ara-kevitra ny fiovan’ny toetr’andro, ary hisorohana ny fahavoazana be loatra aterak’izany. Atrikasa miisa 7 no nandraisan’ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga eo anivon’ny MFFT sy ireo rantsa mangaika anjara nanomboka ny 03 May ka nifarana omaly.Ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny sampan-draharahan’ny Fananan-tany any amin’ny Faritra kosa dia hisitraka ity fampiofanana ity ho an’ny telo velona manaraka. —————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————— La dernière session de l’atelier sur le projet d’accompagnement du MDAT pour le renforcement de la résilience des villes face au changement climatique effectuée par Ginger Sofreco , financé par L’AFD, s’est déroulée à l’hôtel Grand Melis Tsaralalana. Le projet a pour objectif de développer les compétences adéquates au niveau du Ministère, des collectivités urbaines et des communautés, pour une implication effective à tous les niveaux en matière d’adaptation à la variabilité et au changement climatique, ainsi que la réduction des risques y afférents. Les différents niveaux de Directions et services régionaux du MDAT seront les prochains bénéficiaires de cette formation pour les 3 prochains mois.

Famaranana tamin’ny fomba ofisialy ny atrik’asa fanamafisana ny fanarenana an-tànan-dehibe manoloana ny fiovan’ny toetr’andro, izay nataon’ny GINGER Sofreco Read Post »

Fitsidihana nataon’ny Amnesty International ho an’ny faritra Atsimo sy ny Faritra Boeny

Tonga eto Madagasikara ary nitsidika ny Faritra Atsimo sy ny Faritra Boeny ny Amnesty International, nanaraka ny zava-misy hiainan’ny mpifindra monina manoloana ny fiovan’ny toetr’andro. Noho izany indrindra dia nisy ny fihaonana teo amin’ny Amnesty International sy Andriamatoa Minisitra Naina ANDRIANTSITOHAINA ny Alakamisy 11 Jolay 2024 mahakasika ny rariny ara-toetr’andro mifandray amin’ny fifindra-monin’ny vahoaka any Atsimo makany Avaratra. Ny tanjona dia ny fampahafantarana ny paikady hiadivana izao tranga izao, ary ny fepetra raisina ho fiarovana ny zon’olombelona.Ny anton-dian’ny Amnesty International dia ny fijerena ny fanajana ny zon’olombelona, mamolavola ireo soso-kevitra ary manao fanadihadihana ho fampitahana ny any amin’ny firenen-kafa.   —————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————— Présents à Madagascar depuis une dizaine de jours, une équipe d’Amnesty International a effectué une visite dans le Sud et la région Boeny dans le but d’observer et comprendre la situation des migrants face au changement climatique. Dans cette optique, une rencontre a eu lieu entre le Ministre Naina ANDRIANTSITOHAINA et Amnesty International le 11 juillet 2024 concernant la justice climatique liée aux déplacements des populations à Madagascar, notamment du sud vers le nord. Les 2 parties ont échangé sur les politiques et moyens mis en œuvre contre ce phénomène, ainsi que les mesures pour la protection des droits de l’homme.Amnesty International a pour mission d’observer le respect des droits de l’homme, formuler des recommandations et effectuer une analyse comparative des situations dans différents pays.

Fitsidihana nataon’ny Amnesty International ho an’ny faritra Atsimo sy ny Faritra Boeny Read Post »

Scroll to Top