Famaranana tamin’ny fomba ofisialy ny atrik’asa fanamafisana ny fanarenana an-tànan-dehibe manoloana ny fiovan’ny toetr’andro, izay nataon’ny GINGER Sofreco

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny Alakamisy 11 Jolay 2024 tao amin’ny Grand Melis Tsaralalàna ny atrik’asa fanamafisana ny fanarenana an-tànan-dehibe manoloana ny fiovan’ny toetr’andro, izay nataon’ny GINGER Sofreco , tetikasa vatsian’i AFD. Ny vokatra nandrasana tamin’ity atrik’asa ity dia ny hananana paikady sy teknika hahafahan’ny tanàn-dehibe miatrika sy miomana ara-pitaovana sy ara-kevitra ny fiovan’ny toetr’andro, ary hisorohana ny fahavoazana be loatra aterak’izany. Atrikasa miisa 7 no nandraisan’ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga eo anivon’ny MFFT sy ireo rantsa mangaika anjara nanomboka ny 03 May ka nifarana omaly.Ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny sampan-draharahan’ny Fananan-tany any amin’ny Faritra kosa dia hisitraka ity fampiofanana ity ho an’ny telo velona manaraka. —————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————— La dernière session de l’atelier sur le projet d’accompagnement du MDAT pour le renforcement de la résilience des villes face au changement climatique effectuée par Ginger Sofreco , financé par L’AFD, s’est déroulée à l’hôtel Grand Melis Tsaralalana. Le projet a pour objectif de développer les compétences adéquates au niveau du Ministère, des collectivités urbaines et des communautés, pour une implication effective à tous les niveaux en matière d’adaptation à la variabilité et au changement climatique, ainsi que la réduction des risques y afférents. Les différents niveaux de Directions et services régionaux du MDAT seront les prochains bénéficiaires de cette formation pour les 3 prochains mois.

Famaranana tamin’ny fomba ofisialy ny atrik’asa fanamafisana ny fanarenana an-tànan-dehibe manoloana ny fiovan’ny toetr’andro, izay nataon’ny GINGER Sofreco Read Post »

Fitsidihana nataon’ny Amnesty International ho an’ny faritra Atsimo sy ny Faritra Boeny

Tonga eto Madagasikara ary nitsidika ny Faritra Atsimo sy ny Faritra Boeny ny Amnesty International, nanaraka ny zava-misy hiainan’ny mpifindra monina manoloana ny fiovan’ny toetr’andro. Noho izany indrindra dia nisy ny fihaonana teo amin’ny Amnesty International sy Andriamatoa Minisitra Naina ANDRIANTSITOHAINA ny Alakamisy 11 Jolay 2024 mahakasika ny rariny ara-toetr’andro mifandray amin’ny fifindra-monin’ny vahoaka any Atsimo makany Avaratra. Ny tanjona dia ny fampahafantarana ny paikady hiadivana izao tranga izao, ary ny fepetra raisina ho fiarovana ny zon’olombelona.Ny anton-dian’ny Amnesty International dia ny fijerena ny fanajana ny zon’olombelona, mamolavola ireo soso-kevitra ary manao fanadihadihana ho fampitahana ny any amin’ny firenen-kafa.   —————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————— Présents à Madagascar depuis une dizaine de jours, une équipe d’Amnesty International a effectué une visite dans le Sud et la région Boeny dans le but d’observer et comprendre la situation des migrants face au changement climatique. Dans cette optique, une rencontre a eu lieu entre le Ministre Naina ANDRIANTSITOHAINA et Amnesty International le 11 juillet 2024 concernant la justice climatique liée aux déplacements des populations à Madagascar, notamment du sud vers le nord. Les 2 parties ont échangé sur les politiques et moyens mis en œuvre contre ce phénomène, ainsi que les mesures pour la protection des droits de l’homme.Amnesty International a pour mission d’observer le respect des droits de l’homme, formuler des recommandations et effectuer une analyse comparative des situations dans différents pays.

Fitsidihana nataon’ny Amnesty International ho an’ny faritra Atsimo sy ny Faritra Boeny Read Post »

Andro Afrikanina ho an’ny Ady amin’ny Kolikoly (JALCC)

Tontosa ny alakamisy 11 jolay 2024 tao amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny (MAE) Anosy ny « Andro Afrikanina ho an’ny Ady amin’ny Kolikoly » (JALCC). Hiarahan’ny ministera maromaro ao anatin’ny gouvernemanta malagasy, ny Bianco ary ny fikambanam-be ny Afrikanina (UA). Natao nandritra ity andro Afrikanina ho an’ny ady amin’ny kolikoly ity ny ady hevitra an-databatra boribory niarahana tamin’ny Tale Jeneralin’ny BIANCO sy ireo Tale samy hafa eo anivon’ny ministera tsirairay. Noresahina tamin’izany ireo sampandraharaha tsara tantana sy ady amin’ny kolikoly (CBGLCC) eo anivon’ireo ministera 9 voakasik’izany. Nitohy tamin’ny fitsidihana ireo trano eva mandray anjara amin’ny fampiratiana izany. Ministère 9 no efa manana ny PILCC (Politique Interne de lutte Contre la Corruption), tafiditra ao anatin’izany ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ary mandray anjara amin’ny fampiratiana momban’ity ady amin’ny kolikoly ity, izay atao ao amin’ny MAE ihany. —————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————— La célébration de la journée Africaine de lutte contre la corruption s’est tenue au Ministère des Affaires Etrangère (MAE), le 11 juillet 2024 à Anosy. Avec la participation de plusieurs départements Ministériels malgache, la BIANCO et l’Union Africaine. Une table ronde a été effectuée avec le Directeur Général de la BIANCO, plusieurs directeurs des différents départements ministériels ; sur la cellule de bonne gouvernance et lutte contre la corruption (CBGLCC), et la politique interne de lutte contre la corruption (PILCC) au niveau des 9 ministères concernés. Après la cérémonie, les participants ont procédé à la visite des stands des ministères sur la lutte contre la corruption. La PILCC a été déjà attribuée à 9 ministères du gouvernement malgache, le ministère de la Décentralisation et de l’Aménagement du territoire (MDAT) en fait partie, et participe à l’exposition sur cette journée Africaine de lutte contre la corruption au MAE.

Andro Afrikanina ho an’ny Ady amin’ny Kolikoly (JALCC) Read Post »

Famelabelaran-kevitra momba ny Programme National Foncier II

Tao aorian’ny fanolorana ny Programme National Foncier II (PNF II) teo anivon’ny Ministry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany, dia nanao famelabelaran-kevitra teo anivon’ny Direction Générale des Services Fonciers (DGSF) ny ekipa avy tao amin’ny Fonds National Foncier (FNF) izay notarihin’ny Tale Jeneraliny, Atoa RAZAFINDRATSIMBA Vonjy, ary notronin’ny Tale Jeneralin’ny Fananan-tany mpisolo toerana, ny 11 jolay 2024 tao amin’ny efitrano fivorian’ny Sampan-draharahan’ny Fananan-tany Anosy. Nazavaina tao anatin’izay ny lalan-tsaina nentina namolavolana io teti-pampandrosoana momba ny fananan-tany io.Anisan’ny voakasika mivantana amin’ny fampiharana izany Programam-panjakana izany tokoa ny Sampan-draharahan’ny Fananan-tany, ary izany indrindra no anton’izao fihaonana izao, izay nafahana nifampiresaka mivantana tamin’ireo mpiara-miasa rehetra isan’ambaratongany.   Nararaotina ny fihaonana mba hampitàna izay mety ho fanavaozana sy fanatsarana ny fomba fiasa entin’izao programam-panjakana izao.

Famelabelaran-kevitra momba ny Programme National Foncier II Read Post »

Fihaonana niarahan’ny Ministry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany sy ireo ben’ny tanàna 98 anatin’ny distrika 5 ( Farafangana, Vangaindrano, Vondrozo, Midongy Sud, Befotaka Sud) mandrafitra ny Faritra Atsimo-Atsinanana.

Tontosa ny Alatsinainy 01 volana Jolay 2024 tany Vangaindrano ny fihaonana tamin’ireo ben’ny tanàna 98 anatin’ny distrika 5 ( Farafangana, Vangaindrano, Vondrozo, Midongy Sud, Befotaka Sud) mandrafitra ny Faritra Atsimo-Atsinanana sy ny Ministry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany. Nohamafisina fa manana adidy goavana izy ireo amin’ny fampandrosoana ny Kaominina. Ary anjaran’ny MFFT kosa ny manome tantsoroka ara-teknika.Koa izany indrindra no nanomezana ny PLOF (Plan Local d’Occupation Foncière) na koa saritany mitambabe ahitana ny satan’ny tany rehetra ao amin’ireo kaominina 43 ireo.Santatra am-bavarano ireo satria dia tsy hisy kaominina ho adino. Ezaka tsy maintsy hapetraka koa ny SLC (Structure Locale de Concertation) sy ny SAC (Schéma d’Aménagement Communal).Noresahana ihany koa ireo dingana arahina hanokanana BIF (Birao Ifotony Fananan-tany), ny famokarana Karatany na dia tsy manana BIF aza.  Nitohy tamin’ny Fihaonana tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana teny an-toerana moa ny dian’ny Ministry ny MFFT sy MTM izay mpiahy manonkana ity faritra ity. 

Fihaonana niarahan’ny Ministry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany sy ireo ben’ny tanàna 98 anatin’ny distrika 5 ( Farafangana, Vangaindrano, Vondrozo, Midongy Sud, Befotaka Sud) mandrafitra ny Faritra Atsimo-Atsinanana. Read Post »

Fidinana ifotony nataon’i Andriamatoa Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany Naina Andriantsitohaina sy ireo delegasiona miaraka aminy tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanana

Tohin’ny fidinana ifotony nataon’i Andriamatoa Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany Naina Andriantsitohaina sy ireo delegasiona miaraka aminy tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanana dia tsy hadinony ny nitsidika ireo mpiara-miasa ao amin’ny Fandrefesan-tany sy Fananan-tany ary Fanajariana ny tany tao Vangaindrano sy Farafangana.Nisy ny fifanankalozan-kevitra izay nahafahan’ireo mpiara-miasa rehetra niresaka nivantana tamin’ny Andriamatoa Ministra ny olana sy ny hetahetan’izy ireo. Nohamafisina tamin’izany fa tsy ho atao anjorom-bala ireto « Circonscriptions » ireto. Ary nampatsiahivina hatrany ny hafatry ny FILOHAM-PIRENENA hoe mila arovana amin’ny taniny ny vahoaka Malagasy ka amin’ny alalan’ny fanaovana hetsika faobe Titra sy Karatany no anehoana izany.Koa, ezaka imasoana ny hamitana ny PLOF rehetra ao amin’ny faritra amin’ity taona ity, torak’izay koa ny fanavaozana ny fomba fiasa ho ara-kajy mirindra. Ary hojerena manokana moa ny fitaovana mifanaraka amin’izany.   Nanome toky sy nampiseho fahavononana moa ireto mpiara-miasa rehetra mba tsy handraraka ilo mby an-doha fa manana Lehibe mpitarika mitsinjo ny mpiara-miasa. —————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————— Le Ministre de la Décentralisation et de l’Aménagement du Territoire, accompagné de sa délégation, a récemment visité la région d’Atsimo Atsinanana, couvrant les villes de Vangaindrano et Farafangana. Lors de cette descente, une rencontre constructive a eu lieu avec les collaborateurs des services topographiques, fonciers et de l’aménagement. Au cours de cet échange direct, les responsables régionaux ont partagé avec Monsieur le Ministre les défis quotidiens auxquels ils sont confrontés. En réponse, le Ministre a réaffirmé son engagement à ce qu’aucune circonscription ne soit désormais négligée. Il a également rappelé les promesses du Président de la République de restituer et protéger chaque terrain des citoyens malagasy. Pour cette année, une priorité sera donnée à l’opération PLOF (Plan Local d’Occupation Foncière) dans cette région, ainsi qu’à la dématérialisation des procédures. Les équipements nécessaires pour ces initiatives seront pris en compte .

Fidinana ifotony nataon’i Andriamatoa Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany Naina Andriantsitohaina sy ireo delegasiona miaraka aminy tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanana Read Post »

Première réunion du Comité de Pilotage Local du projet PADEVE 2

Tontosa ny 2 Jolay 2024 ny fivoriana voalohan’ny « Comité de Pilotage Local » ny tetikasa PADEVE 2 izay vatsin’ny Agence Française de Développement (AFD) teto amin’ny tampon-tanànan’i Fianarantsoa, izay ankatoavana ireo fotodrafitrasa ho tanterahina ao anatin’ny 5 taona manaraka.Marihana fa tanan-dehibe 6 no misitraka ity tetikasa PADEVE2 ity eraky Madagasikara, anisan’izany ny Tananan’i Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Antsirabe, Fianarantsoa ary Toliara. Maro karazana ireo fotodrafitrasa ho atao amin’izany tetikasa izany, anisan’izany ny fanamboarana tsena, fanamboarana lalana, fanatsaràna ireo sehetra maintso iombonana, fanamboarana ireo fampitaovana isan-karazany ilaina eny an-tanan-dehibe. Raha ny mahakasika an’i Fianarantsoa manokana dia mitentina 7,3 tapitrisa euros ny vola natokana ho azy. Izy rahateo ihany koa dia efa nisitraka ny tetikasa PADEVE andihany voalohany.Ka fanamboarana ny tsena Anjoma sy Besorohitra no anisan’ny asa goavana tanterahina ankoatra ny lalana isan-karazany. —————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————————— La première réunion du Comité de Pilotage Local du projet PADEVE 2 financé par l’Agence Française de Développement (AFD) s’est déroulée le 02 juillet 2024 à Fianarantsoa afin de valider les travaux d’infrastructures à mettre en place pour les 5 ans à venir. Six grandes villes, à savoir Antsiranana, Majunga, Tamatave, Antsirabe, Fianarantsoa et Tuléar, profiteront du projet PADEVE 2. Toujours dans l’optique d’améliorer les conditions de vie des populations des centres urbains des provinces de Madagascar. Plusieurs Travaux d’Infrastructures et Équipements Divers seront effectués, tels que la Réhabilitation des marchés et drains principaux ainsi que les espaces verts. Pour le cas de Fianarantsoa, 7,3 millions d’euros seront attribués à la ville, incluant l’aménagement des marchés d’Anjoma et de Besorohitra

Première réunion du Comité de Pilotage Local du projet PADEVE 2 Read Post »

LANCEMENT OFFICIEL DE LA FORMATION DU PROJET POUR LE RENFORCEMENT DE LA RESILIENCE DES VILLES FACE AU CHANGEMENT CLIMATIQUE

Le lancement officiel de la formation du Projet pour le Renforcement de la résilience des villes face au changement climatique se tient ce Vendredi 3 Mai 2024 au Grand Melis Tsaralalàna. Ce projet a pour objectif de développer les compétences adéquates au niveau du Ministère, des Collectivités urbaines et des communautés (Fkt, SOC, ONG, professionnels, etc.) pour une implication effective à tous les niveaux en matière d’adaptation à la variabilité et au changement climatiques et de réduction des risques y afférents. 173 villes et agglomérations dans tout Madagascar bénéficieront du projet qui durera 5 ans et demi et prendra fin en Juillet 2025.

LANCEMENT OFFICIEL DE LA FORMATION DU PROJET POUR LE RENFORCEMENT DE LA RESILIENCE DES VILLES FACE AU CHANGEMENT CLIMATIQUE Read Post »

«Projet de Développement Communal Inclusif et de Décentralisation » ProDéCID III

Ny «Projet de Développement Communal Inclusif et de Décentralisation » ProDéCID III an’ny GIZ dia mikendry ny hanamafisana ireo kaominina voakasiky ny tetikasa, handraisan’izy ireo ny anjara andraikiny amin’ny maha-mpisehatra amin’ny fampandrosoana ifotony izay mifantoka amin’ireo olona sahirana ary iarahana amin’ny fiarahamonim-pirenena sy ny andrim-panjakana. Nisy arak’izany ny atrik’asa COPIL izay tanterahina androany Talata 7 May 2024 ao amin’ny FDL Anosy, ahafahan’ireo mpiara-miombon’antoka manao ny jery todika tamin’ny taona 2023 sy mijery ny fandrosoan’ny tetikasa amin’ity taona 2024 ity. Eo ihany koa, ny hanatsarana ny fandrindrana ny asa sy ny andraikitra sahanin’ny tsirairay. Nisy ihany koa ny fanaovana sonia ho fanatanterahana ny tetikasa miaraka amin’ny MFFT izay efa miandraikitra ny fitsinjaram-pahefana. Notarihin’Andriamatoa Ministry ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany Naina ANDRIANTSITOHAINA ny atrik’asa ary natrehan’ireo mpiara-miasa ao amin’ny MFFT sy ny rantsa mangaika toy ny FDL, INDDL, ODDL. Nandray anjara tamin’izany ihany koa ireo Ministera hafa toy ny MEF, MINTER, ary ny CUA, IPAM, ProPfr, sy ireo mpikambana ao amin’ny ProDéCid. Un atelier du comité de pilotage sur le Projet de Développement Communal Inclusif et de Décentralisation ProDéCID III de la GIZ se tient ce Mardi 7 Mai 2024 au FDL Anosy, en présence du Ministre Naina ANDRIANTSITOHAINA. L’atelier a pour objectif la revue des activités de l’année 2023 ainsi que les orientations globales du projet pour cette année 2024. Il permet aussi de veiller à une meilleure responsabilisation et coordination interne des partenaires sur la mise en œuvre des activités. La signature du contrat d’exécution du projet avec le MDAT, nouvellement en charge de la Décentralisation, a également été effectuée ce jour. Parmi les participants de l’atelier figurent le MDAT, les organismes rattachés tels que le FDL, l’INDDL et l’ODDL, les ministères comme le MEF, MINTER, la CUA, L’IPAM, ProPfr, ainsi que les membres du ProDéCid.

«Projet de Développement Communal Inclusif et de Décentralisation » ProDéCID III Read Post »

Scroll to Top